“Tokony ho ny fifidianana solombavambahoaka no mandeha aloha vao ny fifidianana ben’ny Tanàna izay efa hahemotra hatrany”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert, momba ny fifidianana hatao manaraka eo. Raha ny lojika amin’izao, ny fifidianana parlemantera ny fifidianana fihodinana faharoa amin’izao. Io fifidianana depiote io no tokony hanamafy ny vokatry ny fifidianana filohan’ny Repoblika tamin’ny fihodinana voalohany. Manamafy izany raha mandray anjara avokoa ny rehetra ary manana ny maro anisa ny filohan’ny Repoblika, mandà izany raha mandray anjara avokoa ny rehetra ka tsy manana ny maro anisa eny amin’ny Antenimierampirenena ny filohan’ny Repoblika. Izay no hoe fihodinana faharoa. Mba hialana na hitondrana valiny amin’ny fanontaniana hoe tsy manana ny ara-drariny izay. Na tiana na tsia, 23 tapitrisa eo ny isan’ny Malagasy amin’izao. Telo tapitrisa latsaka kely teo no nahavoafidy ny filohan’ny Repoblika, misy 20 tapitrisa izany ny ambadibadika any.
R. Nd.




