Tamami: “Mba hisokatra ny governemanta”

“Nandalo olana politika isika nandritra izay dimy taona lasa izay. Niroso ihany ny fifidianana, iny niaraha-nahita iny. Firenena iaraha-manana ity. Marina fa tsy mitovy avokoa ny feon’ny mpanohitra”, hoy ny filohan’ny antoko Ta­nora Malagasy miroso (Ta­mami), Samiary Floriot, mo­mba ny fananganana governemanta vaovao amin’izao. Na izany aza, manana adidy aman’andraikitra ry zareo amin’ny maha mpanohitra, mandroso vahaolana handraisana fepetra mba hankany amin’nyfitoniana politika tokoa ny governemanta hitsangana eo. Mahatsapa ry zareo fa ilaina ny hitondran’ny mpanohitra ny anjara birikiny amin’izany governemanta izany. Koa anaovany antso avo ny fitondram-panjakana hijery izay dingana hidirana mankany amin’ny vahaolana hitondrana ny tany sy ny fanjakana. Tsy fahavalom-pirenena ny mpanohitra fa manana adidy sy andraikitra amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena.

R. Nd.

Partager sur: