Fidirana anaty governemanta: hentitra ny filoha, maro ny teknisianina

Horaisin’ny filohan’ny Repoblika, anio, ny lisitra avy amin’ny praiminisitra, misy ireo hiara-hiasa aminy. Maro anisa ny tanora teknisianina, te hiditra anatin’ny rafitra. Hentitra ny sivana.

Anisan’ny nanolotra anarana ireo antoko lehibe mpanohana ny fitondrana izay lasa mifanipaka an-toerana sy mifampisompatra. Misy ny antoko politika eo anelanelany, izay sady tsy mpanohana no tsy mpanohitra. Misy ireo minisitra tamin’ny fitondrana teo aloha, toy ny avy amin’ny HVM toa an-dry Rabary Paul, izay sady nanao fampielezan-kevitra.
Miavaka ny tanora manam-pahaizana na teknisianina tsotra tsy manana fikambanana na antoko. Toy ny nahazatra hatrizay, misy ny kandidà avy any am-pitan-dranomasina, nandefa ny antontan-taratasiny. Mazava ho azy, misy mpanao gazety maromaro sy mpahay na mpanao fanatanjahantena amin’ireo kandida.
Araka ny tetiandro navoakan’ny fiadidiana ny Repoblika, hatolotra anio any amin’ny filoha Rajoelina Andry ny lisitra avy amin’ny Praiminisita. Hivoaka rahampitso raha tsy misy ny fiovana ny governemanta vaovao iay mety hisy mpikambana 40 eo ho eo.

Hentitra ny sivana
Nambaran’ny eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika fa ho hentitra ny sivana sy ny fepetra eo amin’ny fanendrena. Hisy ny fanadihadiana lalina ireo kandida, indrindra amin’ny haitarika, ny mari-pahaizana sy ny traikefa, ary ilay fahavononana hanompo. Manana iray na roa andro, araka izany ny filoham-pirenena, handinihana ireo anaty lisitra anio. “Efa taratra sahady amin’ny fahavononan’ny filoha hametraka fanjakana tsara tantana, amin’ny alalan’ny fanavaozana ny rafi-pitantanana ny asam-panjakana sy ny ady amin’ny kolikoly izao”, hoy ny fanambarana.
Toy ny mahazatra amin’ny fanaovana politika, misy ihany anefa ny indrokely. Misy amin’ny tandapa, zatra ny lalan-dririnina no misompatra ny mpiray antoko. Efa manilika sahady ny mpiara-mitolona.

Synèse R.

Partager sur: