Nanao fanambarana, tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera ny administratera sivily, Raholinarivo Paolo, omaly. Tsy nitsitsy ny fanehoan-keviny. “Mendrika fitsarana mitovy ny vahoaka ary tokony hitovy ny rehetra eo anatrehan’ny lalàna”, hoy izy. Nohitsiny fa tsy tokony ho ny baiko midina avy atsy na avy aroa no hahavoasazy. Ny fandikan-dalàna no tokony hahavoasazy na koa hampigadra, araka ny nambarany. Notsiahiviny fa maro loatra ireo tsy manan-tsiny migadra tsy fidiny noho ny baiko midina fotsiny. Tsy noho ny fandikan-dalàna, raha ny fanamafisany.
Hentitra ity administratera sivily ity nilaza fa sarotra ary tsy haharesy ny kolikoly isika raha tsy ny tena nanao no voasazy. “Efa kolikoly ny fampibabena sazy ny olona tsy nanao heloka satria mbola miriaria any ireo tompon’antoka”, hoy izy.
Notsindriny fa tsy manohitra ny fanjakana ny tenany saingy mitsipaka marindrano kosa ny fanagadrana noho ny baiko midina. Niantso ny handalàna ny foto-kevitra antsoina hoe “Baïonnette intelligente” ny tenany. “Mba olona nianatra ihany no tafiditra amin’io toerana eo anivon’ny tontolon’ny fitsarana io”, hoy ihany izy.
Tsiahivina fa anisan’ny anton’izao fanehoan-keviny izao ireo tranga niseho tato ho ato ka tsy ahitana taratra ny fanasaziana ireo tena trondro vaventy na ireo atidoha lehibe any ambadika any amin’ireny raharaha ireny. Mitodika any amin’ny minisiteran’ny Fitsarana ny tenany manoloana izao zava-misy izao.
Synèse R.




