Nametraka paikady ara-teknika maro ireo rantsamangaikan’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena mipariaka any amin’ny faritra ho fanamafisana ny ezaky ny Foloalindahy amin’ny fitandroana ny fandriampahalemana.Tanjona amin’izany ny tsy maintsy hiakaran’ny tahan’ny filaminana manerana ny Nosy ka hamongorana ireo asa ratsy rehetra mba hitondrana fampandrosoana ho an’i Madagasikara. Araka izany, nanamarika tamin’ny fomba manokana ny fotoana nanangan-tsaina voalohany 2024 avokoa ny tany Vakinankaratra, niombonan’ny Acmil, ny ENSOA, ny 5°UPC ary ny vondron-tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena. Toy izany koa ny tao Bongolava sy ny tany Antsiranana. Fotoam-pivavahana fangataham-bavaka no nentin’izy ireo nanombohana ny taona. Taorian’izay, nisy ny hazakazaka ara-pirahalahiana sy hetsika samihafa. Nitarika izany kaomandin’ny Akademia miaramila (Acmil) sady kaomandin’ny fari-piadidian’ny miaramila ao an-toerana, ny Kly Ratsarahevitra Andriamisetra. Teo koa ny kaomandin’ny fari-piarovana sy filaminana Tsiafajavona, ny Jly Rafalimanana Léonard Gabriel. Nanotrona izany koa ireo tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny avy amin’ireo faritra ireo.
J.C




