Nampahafantarina, tamin’ny fomba ofisialy, tetsy Ampandrana, omaly, ny vovonana Malagasy miaro ny tanindrazana (Mamita). Miompana amin’ny foto-kevitra maromaro ny anto-pijoroany.
Tafatsangana ny Vovonana Mamita! Anisan’ny foto-kevitra lehibe ijoroany ny famerenana ny firenena ho tany tan-dalàna sy ny ady atao amin’ny fahantrana. “Hitondra vahaolana maharitra manoloana izany isika fa tena efa lalim-paka loatra izany eto amintsika. Hamaky ny ady amin’ny tsimatimanota koa izahay”, hoy ny mpitarika, ny mpitandrina Tsarahame Edouard. Tsipahin’izy ireo marindrano ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena. Manampy izany ny hamerenana ny hasin’ny maha olona eto amin’ny firenena. Nomarihin’izy ireo fa tsy antoko politika akory ny Mamita fa ireo Malagasy vonona hiaro ny taniny, hanohy sy hamita ny tolona tsy vita hatramin’izay teto amin’ny firenena.
Nanterin’izy ireo fa hiatrehina ny zava-misy eto amin’ny firenena izao fijoroana izao. Tsy manavaka izy ireo fa fanehoana firaisan-kina hanavotana an’i Madagasikara.
Ho an’ny rehetra
Tafiditra ao anatin’ny rafitra ifampitondrana, ny komity mpanatanteraka sy ireo vaomiera isan-tokony ary ireo mpitarika eny ifotony. “Misokatra amin’ny teratany malagasy rehetra maneran-tany ny vovonana”, hoy ny mpitarika.
Anisan’ny hita amin’ireo mpikambana mandrafitra ny vovonana ny avy eo anivon’ny fanoherana, toy ny mpikambana sasany ao amin’ny Rodomben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia (RMDM).
Tsiahivina fa efa nisy fiarahan’ny vondron’olona maromaro tahaka izao, toy ny fivondronan’ny fiarahamonim-pirenena sy ny mpiasam-panjakana ambony saingy nangina sy tsy hita popoka intsony taty aoriana.
Synèse R.




