Taona 1989, tao Ambondrona. Nanapa-kevitra i Mananjara Jean Bruno fa hirotsaka eo amin’ny tontolon’ny hira. Izany hoe, 35 taona katroka nihirana i Mananjara Jean Bruno. Amin’ity taona 2024 ity, homarihiny amina rindrankira roa sy «cabaret» miisa 4 io vanim-potoana io. Ny volana avrily sy novambra ny hanatanterahina ny rindrankira. Ny volana febroary, avrily, aogositra ary novambra kosa ny vinavinan’ny «cabaret». «Raha mbola mahavita, hanatanteraka seho mihoatra ireo aho mandritra izao fanamarihana ny faha-35 taona nihirako izao. Hiverenako ny hira taloha, avoakako ihany koa ny vaovao», hoy i Nono Mananjara, omaly.
Anisan’ny hira nahafantarana ity mpanakanto ity ny «Voafitaka». Vaovao kosa ny «Fisarahana tsy fidiny», «Fitia tsy voarara», «lasanao ny foko»… Amin’ny ankapobeny, mihira amin’ny gadona maro i Nono Mananjara, fa ny kaiamba kosa no nahalalana azy bebe kokoa. Ankoatra ny hira, manatontosa sarimihetsika ihany koa izy.
HaRy Razafindrakoto