Mitohy ! Miverina nanomboka ny 5 janoary 2024 teo, ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena RNT 58, mampifandray an’Ankadimbahoaka, Fasankarana, Jovena Anosizato. Nijery ifotony ny fizotry ny asa, ny talen’ny Fotodrafitrasa, Razafindrianarivo Henri Jacob, ao amin’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP), omaly. Miandraikitra ity fanarenan-dalana ity ny orinasa Colas, ao anatin’ny telo herinandro. Tokony ho tratra ny fetr’andro, nefa heverina ho vita tanteraka amin’ny fiandohan’ny volana febroary, vokatry ny fisian’ny orana.
Manaraka izany, manome fanazavana ny minisitera MTP, momba ny lalam-pirenena fahafito (RN7).
Ankoatra izany, mitondra fanazavana ny minisiteran’ny Asa vaventy, mahakasika ny fanapariahana tanaty tambajotra sosialy, fa simba sahady ny rarivato tatatra amin’ny sisin-dalana (dalot) amin’ny PK 732+200, amin’ny RN7, any Manombobe Ilakaka. Notsipihiny fa tsy mbola vita fandraisana ny asa ara-teknika sy vonjimaika io asa io. Noho izany, efa mandray ny andraikiny ilay orinasa manarina azy.
Njaka A.