Filoha Rajoelina Andry: “Manana adidy goavana ianareo manamboninahitra”

Niarahaba ireo manamboninahitra noho ny 12 jona, Andron’ny manamboninahitra, ny filohan’ny Repoblika. Nampita hafatra sy fampahatsiahivana azy ireo, indrindra amin’izao fe-potoam-piasana manaraka izao ny filoha faratampon’ny Foloalindahy, Rajoelina Andry.

Nambarany fa natao hanehoana firaisan-kina sy firaisan-tsaina eo anivon’ny Foloalindahy ny Andron’ny manamboninahitra. “Nanolo-tena hanompo tanindrazana ary manana adidy goavana eto amin’ny firenena amin’ny fitandrovana mandrakariva ny fiandrianam-pirenena sy ny fiarovana vahoaka sy ny fananany ianareo”, hoy izy. Nanteriny fa tandroka aron’ny vozona ary kitro ifaharan’ny fandriampahalemana izy ireo.

Miatrika fe-potoam-piasana vaovao isika manomboka izao, koa hamafisina hatrany fa manolo-tena ho an’ny firenena ary mila maka ny fepetra ahafahana miatrika ireo am­bana samihafa iainan’ny vahoaka ny manamboninahitra, araka ny nambarany. “Manainga anareo hanatontosa, am-pitiavana ny tanindrazana, ny andraikitra masina ankinina aminareo ho fampandrosoana ny firenena”, hoy izy. Anisan’izany ny fametrahana fandriampahalemana sy ny fanajana ny lalàna velona ary ny fiarovana ny andrimpanjakana rehetra, araka ny nambarany hatrany.
Fandavan-tena sy ezaka

Na izany aza, nohitsiny fa mitaky fandavan-tena izany ary ezaka tsy an-kiato. Matoky koa ny filohan’ny Repoblika fa tsara ofana sy manana traikefa ary manana fitondran-tena mendrika ny Foloalindahy. Vonona hanatanteraka ny asa am-pitiavana sy amin-kitsim-po. Hametraka hatrany ilay teny filamatra: “Ho an’ny tanindrazana”, eo anatrehan’ny adidy rehetra atrehina, hoy izy. Notsiahiviny fa mila azy ireo ny vahoaka ary miandrandra izany koa i Madagasikara. Tohizo am-pitiavana anaty firaisan-kina ny fanompoana ity tanindrazana malalantsika ity, araka ny nambarany teo am-pamaranana.

Synèse R.

Partager sur: