Taona 2024 : hovelarin’ny « La St’Art Project » ny sehatrasany

Taona 2019, natsangan-dRazafindralambo Tsilavina ny « La St’Art Project » misehatra amin’ny fikirakirana ny sary sy ny feo… Misandrahaka hatrany amin’ny fanaovana asa soa toy ny fizarana fanampiana (Sakafo masaka, akanjo…) ho an’ireo tena sahirana.

«Tsy hijanona hatreo amin’ny famokarana rakitsary sy ny fikirakirana ny feo (fandraisam-peo) fa hanohy izany amin’ny fanatanterahana ny « La main d’aide », hetsika fanampiana ireo sahirana ny sehatrasanay eto anivon’ ny  La St’Art Project. Anke­hi­triny, hisandrahaka amin’ny fikarakarana hetsika kolontsaina goavana toy ny fanatontosana fampisehoana lehibe amin’ny endriny tsy mbola fahita teto an-tanàna hatramin’izay ihany koa izahay amin’ity taona vaovao 2024 ity », hoy Razafindralambo Tsila­vina (Tsitsi).
Fantatra, araka ny fanazavana nataony hatrany, fa tsy mitsahatra ny mikaroka ny raitra sy ny kanto amin’ny famokarana rindrantsary ny « La St’Art Project » amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fitaovana manaraka ny vanim-potoana sy ny fahaiza-manao amin’ny fifehezana azy ireny.

Manana traikefa matanjaka

Tombony ho an’i Tsitsi amin’ny fanatanterahana ny asany ny efa nilonany an-taonany maro tao anatin’ny fikirakirana ny mozika. « Banga be ny fiainako raha tsy misy mozika », hoy izy. Anisan’ny tolotra vaovao omen’ny « La St’Art Project », amin’ity taona ity, ny fandraisana an-tanana ny mpanakanto miainga amin’ny famokarana ny rindrantsary (clip), mandalo amin’ny fomba hanapariahana izany ary mipaka hatramin’ny fanatontosana fampisehoana sy ireo pitsopitsony teknika ma­nodidina izany.
Tanjon-dry zareo ny hanome fahafaham-po feno ny filàn’ireo mpanjifa manatona azy raha ny fanazavan’i Tsitsi. Marihana fa maro be ireo mpanakanto avy amin’ny faritra no efa niara-niasa taminy. Tsy matahotra fifaninanana ny « La St’Art Project » ary samy mahazo ny tolotra manandrify azy avokoa ireo mpanakanto vao misandratra na ireo efa manana ny lazany.

Nangonin’i HaRy Razafindrakoto

Partager sur: