Tetikasa “Kanto Manabe” : mitohy ny fampiofanana ny mpanabe

Tanterahina anio, eny amin’ny Tranomboky monisipaly Analakely, ny atrikasa fampiofanana ny mpanabe ny kanto eny amin’ireo Tranombokim-pokontany eto amin’ny tanànan’ Antananarivo Renivohitra. Efa nisy ny atrikasa natao ny alarobia lasa teo ary hitohy amin’ny resaka fitaovana mahakasika ny hosodoko ny dinikasa, anio. Tanjona ny hampiroborobo ny haikanto avy eny ifotony. Raha tsiahivina, ao anatin’ny Tetikasa “Kanto Manabe”, ny hetsika.
Amperiny tanteraka ny tetikasa “Kanto Manabe” amin’izao fotoana izao. Hisy koa, ankoatra izay, ny fampisehoana sy ny andrana ny loko izay tolotry ny sekolin’ny sary. Raha tsiahivina, mizara telo ny hetsiky ny tetikasa. Voalohany amin’izany, ny fanotronana ny fikambanana mpiangaly haikanto eny anivon’ny sekoly ambaratonga fahatelo eto Antananarivo Renivohitra. Faharoa manaraka izany, ny fampiofanana ho an’ny mpanao sary ary fahatelo ity fampiofanana ny mpanabe Kanto eny amin’ny fiarahamonina ity.

Lin

Partager sur: