Mozika tsy tontan’ny ela: mamelo-maso ny Anoka Bagasy

Tetikasa lasa anaran’ny tarika. Anoka Bagasy, mahalaza ny toe-po amam-panahin’ireo mpanakanto eo am-piangaliana azy. Mahalaza koa ny fihetseham-pon’ny mpankafy rehefa babon’ny hira ka entiny mianjoria iny… Antony lehibe nisafidianana ny anaran’ny tetikasa ho “Anoka Bagasy” izany.
“Faniriana efa ela tato anatiko izy ity no navadika ho tetikasa. Izaho efa ela no nanapa-kevitra ny hirona amin’ny bagasy, hitrandraka sy hampitia ary hanohy izany. Tamin’ny taona 2019 no nanomboka hita ny nitondrana azy, rehefa tafahoana tamin’i Haja Telofangady aho”, hoy ny fitantaran’i Mbola Talenta. Na­moaka ilay hira “Lohasaha mangina” izy mirahalahy tamin’izany. Nitrandraka kalon’ny fahiny vitsivitsy, indrindra ireo tsy faheno matetika izy ireo.
Tafaraka tamin-dRalanto ny taona 2021 izy mirahalahy, ka nihirahira kalon’ny fahiny. Nanomboka nirafitra ny tetikasa ary tapaka ny hevitra fa hatao tarika izany. Tsy naka lavitra fa ny Anoka Bagasy ihany no anarana nosalorana. Tsy vao tamin’io akory ny fiarahana teo amin’ireto mpanakanto ireto, ka nisosa ho azy ny fifandraisana am-peo. Anisan’ny nahafantarana ny Anoka Bagasy ny namerenan’izy ireo ny “Sanganehana”, hiran’ny tarika Arkazorama.
Voalohan’ny taona 2022 no niditra ho mpikambana i Beauzaka ao amin’ny tarika Mala. Havanana amin’ny famerenana ireo hira miendrika hatsikana izy. Nirafitra tanteraka ny tarika. Feno ny feo sy ny talenta. Mpitendry gitara telo, mpitendry valiha roa, mpihira sy mpamorona efatra. Maromaro ny tetikasan’ny Anoka Bagasy amin’ity taona ity, ka hanombohana azy ny seho ao amin’ny Karibotel, ny 3 febroary ho avy izao.

Zo ny Aina

Partager sur: