Kaominina Toamasina : samy ho kandidà ireo TGV

Nilaza ny tsy hanolotra kandidà ben’ny Tanàna eto Toamasina ny antoko miaraka amin’ny Vondron’ny kandidà (C11). Na izany aza, misy ihany ireo tsy hanaraka izany fa mety hirotsaka amin’ny anarany manokana.
Efa ao anatin’ny fifampiresahana na koa fifandroritana ireo mpanohana ny filoha Rajoelina manoloana ny kandidà hahazo ny fankatoavan’ny vovonana manohana ny filoha.
Nambaran’ny sasany amin’izy ireo fa hirotsaka amin’ny anaran’ny tenany raha tsy mahazo ny fankatoavana ho kandidàn’ny TGV na ny “Upar”.
Etsy andaniny, efa hita ho anatin’ny fiomanana amin’izany ny ben’ny Tanàna, Rakotonirina Nantenaina. Eo koa ny PDS teo aloha, Razafimanana Christian, ny filohan’ny filankevitra kaominaly ankehitriny, Ilatsaka Ibrahim Franck, ny talen’ny sampandraharahan’ny Angovo, faritra Atsinanana, i Wander Assany Chadly. Ny mpanolotsain’ny loholona iray…

Sajo sy i Synèse R.

Partager sur: