Lozam-pifamoivoizana: olona dimy naratra, zazakely valo volana ny iray

Nitrangana lozam-pifamoivoizana iray tamin’ny lalam-pirenena fahafito, tao Amindrasahona, kaominina ambanivohitr’i Talata Am­pano, omaly hariva. Latsaka tao amin’ny tetezan’i Beran­gitsa izy rehefa nihazo an’ny Fiana­rantsoa. Raha ny fantatra, vaky ny kodiarana havanana alohan’ny fiara ka nitarika ny loza. Vokany, olona dimy naratra nahitana zazakely valo volana iray. Efa noentina any hopitaly CHU tao Tambohobe Fianarantsoa avy hatrany izy ireo.

Nidina tany an-toerana avy hatrany ny zandary avy ao Andranovorivato nanao ny fisavana, rehefa nandre ny loza. Vaky ny kodiarana havanana alohan’ny fiara ka nitarika ny loza. Sprinter iray mivondrona ao amin’ny kaoperativa Transfi mitondra ny laharana 5531 FE, mampitohy an’ny Fianarantsoa-Andra­novorivato izy ity. Latsaka tao amin’ny tetezan’i Berangitsa . Nandeha tamin’ny hafain­ganam-pandeha antonony ity fiara, raha ny tatitra avy amin’ ny zandary. Kodiarana vaky no nahatonga ny loza. Niala teo amin’io tetezana Beran­gitsa ny mpamily ary nianjera tao anaty rano ny niafarany, raha ny fanazavana. Vokany, olona dimy naratra ary efa noentina eny amin’ny hopi­taly avokoa. Zazakely valo volana ny iray tamin’ireo naratra, tao ny mpamily ary mpandeha telo hafa ny ambiny. Efa tsy maninona avokoa izy ireo rehefa nahazo fitsaboana, indrindra ilay zaza­kely, hoy ny lehiben’ny CSB2 ao Talata Ampano .

Fantatra fa an-dRako­to­nirina Hanitriniala Marie Josée ny fiara. Mitohy ny fa­nadihadiana ataon’ny zandary any an-toerana mikasika ity raharaha ity.

Mino (Mpianatra Asa)

Partager sur: