Nampahafantarina omaly, teny Iavoloha, ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta, tarihin’ny praiminisitra, Ntsay Christian. Miisa 27 ireo minisitra amin’izany ka vaovao ny 12 amin’izy ireo.
Anisan’ireo minisitra vaovao, ny misahana ny Foloalindahy, ny Jly Sahavelo Monja Delphin. Efa lehiben’ny etamazaoro, teo aloha. Hisahana ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Rafaravavitafika Rasata.
Minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, ny ben’ny Tanànan’ Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina. Efa minisitry ny Raharaham-bahiny, ny taona 2019, ny tenany. Minisitry ny Filaminam-bahoaka, Rakotoarimanana Herilala raha hisahana ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana kosa, Ratohiarijaona Rakotoarisolo Suzelin. Minisitra vaovao ho an’ny Fampianarana ambony, Razafiarison Andriamanantena. Minisitry ny Mponina sy ny firaisan-kina, i Fomendraza Haingo. Efa governoran’ny faritra Amoron’i Mania.
Minisitry ny Angovo, Olivier Jean Baptiste. Efa tale jeneralin’ny OMH teo aloha. Minisitry ny Asa sy ny fampananana asa, Razakaboana Hanitra, izay efa tale jeneralin’io ministera io teo aloha. Minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Andriamananoro Augustin. Tale jeneralin’ny tetikasan’ny filoham-pirenena teo aloha ary efa minisitry ny Harena an-dranomasina sy ny minisitry ny Paositra koa. Minisitry ny Tontolo iainana i Max Fontaine. Tale jeneralin’ ny orinasa iray ary efa niasa teo anivon’ny Unicef.
Minisitra delege misahana ny zandary, ny Jly Rakotondrazaka Andry. Efa kaomandin’ny zandary teo aloha.
Nanao fianianana avy hatrany ireo mpikambana rehetra eo anivon’ny governemanta. Hanatanteraka am-pahamarinana ny asa hosahanina. Tsy hanao kolikoly ary hiala avy hatrany raha tsy mahatanteraka ny andraikitra nankinina aminy.
Synèse R.




