Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Villa An-fi Tv Plus, Ivanja Ambohitsoa, ny lanonana ara-panjakana, nanolorana ny mari-boninahi-pirenena «Commandeur de l’ordre national malagasy» ho an-dRabemananjara Nicolas, filoha mpanorina ny vondrona Tv plus Madagascar, no sady filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena misahana ny tapany atsimon’i Madagasikara. Rakotonarivo Donnatela, mpikambana eo anivon’ny filan-kevitry ny mari-boninahi-pirenena no nitarika izany lanonana izany. Ankoatra izay, nisy ihany koa ny fanolorana mari-boninahitra «Chevalier de l’Ordre national» sy medalin’ ny asa, ho an’ny mpiasa mendrika izany, araka ny sokajiny avy. «Mahavelombolo sy mahafinaritra ny mahita ny fahavitrihana sy haitarika ananan’ny vondrona Tv plus Madagascar sy ny mpitarika azy. Fakan-tahaka izany ho tombotsoan’ny rehetra, indrindra amin’ny fampandrosoana ny firenena», hoy Lalatiana Rakotondrazafy, minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, teo aloha, izay anisan’ny vahiny nasaina nandritra izany lanonana izany.
Anisan’ny mpamakilain’ny haino vaky jery tsy miankina, ity vondrona ity. Raha eo amin’ny sehatry ny fandraharahana sy ny haitarika indray, mbola mendrika alaina tahaka sy akana lesona ihany koa ity vondrona ity sy ny mpitarika azy. Raha tsiahivina mantsy, azo lazaina ho tena niainga tamin’ny kely indrindra izy ireo ary nivoatra sy nisondrotra tsikelikely ka tonga amin’izao toerana misy azy ireo izao. «Ny olona mendrika izany no tolorana ny mari-boninahi-pirenena sahala amin’izao. Araka izany, vonona aho ny hanompo sy hiantsoroka ny adidy sy andraikitra mifanandrify amin’izany, ho fanompoana sy fanasoavana ny firenena», hoy Rabemananjara Nicolas, nandritra ny lahateny nandraisany izany mari-boninahitra izany.
Lin




