Tamboho Be : nofaranana ny fankalazana ny faha-20 taona

Sehatra lehibe roa no iasan’ny fikambanana « Tanora mbola hobeazina » na ny Tamboho Be. Ny Tontolon’ny kolontsaina sy ny sosialy. Nosalorana ireo endrika roa ireo ny lanonana nentina nankalazana ny faha-20 taona niorenan’ ity fikambanana ity.

Nofaranana ny sabotsy 13 janoary teo ny hetsika fankalazana ny faha-20 taona niorenan’ny fikambanana « Tanora mbola hobeazina » na ny Tamboho Be. Ta­min’ny ankapobeny, nisongadina nandritra ity lanonam-pamaranana ity ny fanehoana ireo sehatrasa sahanin’ny Tam­boho Be. Anisan’izany ny tontolon’ny kolontsaina. Ny Tam­bo­ho Be rahateo no hany fi­kambanana manohana sy ma­nampy ny sôva eto Anta­na­narivo. Tarika sy mpanao sôva maro mivondrona ao anatin’ny sôvan’Analamanga, ra­ha­teo, no nanatanteraka ny fanafanana ity lanonam-pamaranana ny faha-20 taona no­tanterahina teny amin’ny “Crus­tacés dorés Ambohima­nam­bola” sy An­drai­soro ity. Anisan’ireny ny Tsia­zompa­niry, ny Tanjombato Mi­sôva, ny Tara-pahazavana An­drai­soro, mpanao vakisaovan’i Be­horirika… Tarika Ravelo Jean Baptiste, ny Capoiera de Ma­dagascar, Lez amis, Velon’An­droy, José Satoub, ny Up the rap,

Hotohizana ny ezaka efa natao… Hisy ny Festival Vakisaova
Ho an’ity taona 2024 ity, hanohy ny ezaka efa nataony hatramin’izay ny fikambanana Tamboho Be. Anisan’izany ny hirosoana amin’ny fanatanterahana ny « Festival Vaki­sova »… Satria misehatra amin’ny sosialy ny fikambanana, noho izany, ny tarika tsirairay handray anjara amin’io lanonana lehibe io, samy hamorona hira iray momba ny ady amin’ny herisetra. “Tsy ny fikasian-tanana ihany akory no atao hoe herisetra fa misy ihany koa avy amin’ny teny, fihetsika, ny fitondran-tena… “, hoy Randrianarivelo Hasina, filohan’ny fikambanana.
Nisy ny fizarana nofon-kena mitam-pihavanana, no­zaraina ho an’ireo mponina sahirana tao Andraisoro (foiben’ny fikambanana), ho an’ireo mpanao sôva, ny mpikambana sy ireo mpiara-miasa amin’ny fikambanana. Nitohy tamin’ny fizarana kilalao ho an’ny zanaky ny mpikambanana sy ny mpanao sôva.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: