Andriamananoro Augustin : minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina

Voatendry omaly, ho minisitra hisahana ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, Andriamananoro Augustin. Manam-pahaizana sy efa nisahana andraikitra ambony momba ny fifandraisan-davitra izy. Ho an’ny tontolon’ny kolontsaina sy ny zavakanto manokana, anisan’ny andraikitra lehibe miandry azy ny hanala ilay anara-maneso « Faralahin-jaza ». Na nisy aza ny ezaky ny teo aloha rehetra, tazana hatrany fa tsy afa-mivelatra loatra ny minisiteran’ny kolontsaina raha oharina amin’ireo departemanta hafa noho io mbola fametrahana azy ho « Faralahin-jaza » io.
Adidy mbola miandry ny minisitra vaovao ihany koa ny fanohizana ny vitan’ny teo aloha. Ankoatra ny hiragasy sy ny kabary, tokony hitombo isa ny kolontsaina tafiditra sy tafapetraka ho vakoka eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ny fampitomboana ireo fotodrafitrasa ho fanapariahana sy fanomezan-danja ny kolontsaina isam-paritra.
Mila ezaka manokana ho an’ny minisitra vaovao sy ny mpiara-miasa aminy ny fanomezana lanja sy hasina ny mpanakanto amin’ny alalan’ny fiarovana ny sanganasan’izy ireo.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: