Namoy ny ainy teny an-dalana hanoro ireo namany, maty voatifitra rehefa nikasa hitsoaka ny jiolahy iray tao amin’ny fokontany Sarilasy, kaominina Ambidirina, distrikan’ i Vondrozo, ny faran’ny herinandro teo. Voasambotra nandritra ny fisafoana amin’ny alina nataon’ny mpitandro filaminana, ny 24 novambra, notanana natao fanadihadiana ity jiolahy ity. Rehefa nosavaina ny trano fonenany, sarona ny bala vita gasy sy mohara. Ny marain’ny zoma teo, nitondra ny zandary tany amin’ny toerana voalaza ho misy ireo mpiray tsikombakomba aminy ity jiolahy ity, saingy niporitsaka tampoka. Vokany, matin’ny tifitra nahazo azy ity olon-dratsy ity. Anisan’ireo raindahiny amin’ny fampihorohoroana tao Manambila sy Mahazoarivo ity lavo ity.
Tsiferana Randriatiana