Fimpima – Unesco : homarihina ny « Androm-pirenen’ny kabary »

« Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Minisite­ran’ny Serasera sy ny kolontsaina dia foana ny fankalazana iombonana amin’ny An­drom-pirenena ho an’ny kabary, araka izany, afaka manao fankalazana manokana ny fikambanana », hoy ny fampitam-baovaon’ny Fikamba­nan’ny mpikabary malagasy (Fimpima). Eo ambany fiahian’ny Vaomieram-pirenena ma­la­gasy ho an’ny Unesco. Eo ambany fitarihin’ny Fikam­ban’ny mpikabary malagasy, hotanterahina anio tontolo andro, ny fanamarihana ny Androm-pirenena ho an’ny kabary. Hetsika hotontosaina ao amin’ny Tranomboky monisipaly Analakely.
Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana mandritra ity fanamarihana ity ny zara fahalalana ho aroriaka amin’ny kabary malagasy ataon’ny Renala Fimpima. Eo ihany koa ny fampirantiana momba ny kabary sy ny tontolo manodidina azy ary ny lalana nodiavin’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy, ataon’ny isan-tsehatra
Anisan’ny hampiavaka sy hanome endrika kanto ny Tranomboky monisipaly, anio, ny seho samihafa hataon’ny isan-tsehatra. Marihina fa anisan’ny manan-karena eo amin’izay fahasamihafana izay ny kabary malagasy. Sehatra maro rahateo no efa manome lanja azy ity fa tsy voatery any amin’ny fomba amam-panao ihany.
Marihina fa ny Fikam­banan’ny mpikabary malagasy no zokiny indrindra amin’ireo sehatra manome lanja sy mampivelatra ny kabary malagasy.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: