Ela nitoratorahana: voatifitry ny zandary i Ndrianary, mpimasy

Nirefodrefotra ny basy, ny asabotsy teo, tokony ho tamin’ ny 03 ora maraina tao Anjia­mangirana II, distrikan’Antso­hihy. Maty voatifitry ny zandary ao an-toerana i Ndria­nary, mpimasy sady dahalo mpamerin-keloka. Isan’ireo anaran’olon-dratsy atao hazalambo ao amin’ny distrikan’ Antsohihy izy ity. Efa nifampitadiavana tao anatin’ny telo volana sy 21 andro izy ka izao lavon’ny zandarimaria zao noho ireo asa ratsy nataony maro isan-karazany. Fantatra tokoa mantsy fa tafaporitsaka i Ndrianary sy namany taorian’ilay halatr’omby niseho tao Andranotakatra ambany, kaominana Ambatosia, distrikan’i Bealanana, ny 12 aogositra teo. Ny herinandro lasa teo, nahazo angom-baovao ireo mpitandro filaminana ao An­tsohihy fa nihaodihaody ao an-toerana izy ary nikasa hanafaka ireo namany voatazona am-ponja vonjimaika noho io raharaha io. Vokany, napetraka ny vela-pandrika rehetra hisamborana azy. Ny asabotsy teo, tafaporitsaka ny toby misy azy ity mpimasy ity ka saika hitsoaka tany amin’ny kaominina Ambodimanary, distrikan’Antsohihy ihany. Raikitra ny fifanjevona ka maty voatifitra tamin’izay izy. Ankoatra ny maha mpimasy azy dia mbola dahalo mpamerin-keloka ny lehilahy, mpamatsy fitaovam-piadiana an’ ireo malaso koa. Ary tsy sasatry ny miditra sy mivoaka ny fonja ny tenany. Malaza ho “rabatteur ” ao amin’ny distrikan’i Bealanana izy ary ma­nome vahana ny fandikan-dalàna sy ny fanaovan-dratsy ka velon-taraina tanteraka ireo mpiara-belona aminy. Mpiray tendro amin’ireo jiolahy tao Betomendry sy Anjiamangi­rana koa izy. Tany aminy koa ireo antontan-taratasy fifampivarotana basy amin’ireo dahalo samihafa.Teny aminy koa ny taratasy manome fahafahana vonjimaika. Ankehi­triny, lavo ity dahalo ikoizana ity, azo teny aminy ny basim-borona fampiasany ary ireo ody gasy maro samihafa. Tsy mijanona eo ny raharaha fa mbola karohina ireo namany sy ireo efa-dahy vao nivoaka ny fonja, ny herinandro lasa teo.

Henintsoa Hani

Partager sur: