Fitantanana kaominina : ho avy ny sata manokana hifehy ny ben’ny Tanàna

Nifarana ny herinandro lasa teo ny fe-potoam-piasan’ireo ben’ny Tanàna manerana ny Nosy. Na hisy ny fanalavam-potoana, na hivoaka ny sata manokana momba azy ireny.

Tapitra ny faha-14 janoary lasa teo ny efa-taona niasan’ny ben’ny Tanà­na. Tsy mbola nisy ny fanapahan-kevitra avy eo anivon’ny fitondram-panjakana mahakasika izany. Miandry ny fepetra horaisin’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany ny famaritana ny asa aman’andraikitr’izy ireo, mandra-pahatongan’ny fifidianana. Asa maika miandry ny minisitra vao notendrena rahateo izany, aorian’ny handraisany ny fahefahana indray.
Ny loharanom-baovao na­naovana fanadihadiana no nahalalana fa hovolavolaina tsy ho ela ny sata manokana momba ny fitantanana, mandritra ny fahabangan-toerana. Hofaritana mazava amin’izany ny ho andraikitr’ireo ben’ny Tanàna. Nambaran’ny sekretera jeneralin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana, Ranesa Firiana, fa tokony hi­voaka ny sata hifandraika amin’ny asan’ny ben’ny Tanà­na. “Miala eo amin’ny toerany izy ireo rehefa tonga ny voafidy hisolo ny toerany”, hoy izy.

Fametrahana PDS
Etsy andaniny, tsy voalaza mazava ao amin’ny lalàna ny tokony handraisan’ny fitondram-panjakana fepetra amin’ ny hametrahana filohan’ny delegasionina manokana (PDS). Izy ireo izay hisolo sy hiandraikitra ny toeran’ny ben’ny Tanàna izay efa dila fe-potoam-piasana. Mitaky fepetra manokana ny zava-misy ankehitriny, mahakasika ny fahabangan-toeran’ny ben’ny Tanàna. Mbola haharitra roa volana eo ny elanelan’ny fifidianana ho avy sy ny fahataperan’ny fotoam-pia­sana.
Tsiahivina fa raha ny tomban’ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na ny Ceni, hatao amin’ny volana marsa na mihoatra kely ny fifidianana izay ho ben’ny Tanàna vaovao. Hotantera­hina ny mey na jona kosa ny fifidianana depiote.

Synèse R.

Partager sur: