“Tena ao anatin’ny tsy fanarahan-dalàna izao ny tsy mbola anaovana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna. Ho be dia be indray ny ben’ny Tanàna mety higadra, fa teren’ny mpiara-monina amin’ny fanapahan-kevitra”, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny antoko HVM, Rakotovao Rivo. Fanambarana nataony manoloana ny tsy mbola fahatanterahan’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna. Ireto farany izay tapitra fe-potoam-piasana tamin’ny 10 janoary lasa teo. “Tsy hiandry fifidianana ny olona manao raharaha eny anivon’ny kaominina. Inona no hataon’ny ben’ny Tanàna amin’izany? Nefa vokatry ny tsy fanarahan-dalàna sy ny tsy fahaiza-mitantana ataon’ny fitondram-panjakana izay”, hoy hatrany izy.
Nambarany fa tsy misy fiezahana amin’ny fanarahan-dalàna ny fomba fitantanan’ny fitondram-panjakana ankehitriny. Vao nanomboka nitondra ny eo anivon’ny fitondram-panjakana no efa fantany ny fahataperan’ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna. Nohamafisiny, fa kajikajy politika no betsaka. “Tsy diso isika eo anoloan’ny fanapahan-kevitsika hanohitra an’izao fitondram-panjakana izao, hanohitra ny hevitra entin’izao fitondram-panjakana izao, hanohitra an’ireo fomba amam-panao entina itantanana ny firenena”, hoy izy. “Iaraha-mahalala sy iaraha-malahelo ary iaraha-mahamenatra ny toerana misy an’i Madagasikara, ankehitriny”, hoy izy namarana ny fanambarana.
R. Nd.