Nandray ny asany, omaly, taorian’ny famindram-pitantanana ny minisitry ny Asa sy ny fampananana asa ary ny asam-panjakana, Razakaboana Hanitra Fitiavana. Nambarany tamin’izany ny laharam-pahamehana. “Maika ny fanadiovana ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny asam-panjakana, araka ny efa nambaran’ny filohan’ny Repoblika”, hoy izy. Tafiditra ao anatin’izany ny fanadiovana amin’ny fidirana eo anivon’ny asam-panjakana. Nanteriny fa ho hentitra ny fanaraha-maso amin’ireo antontan-taratasy rehetra sy ny fidirana amin’ny “Digitalisation” sy ny fanapariahana izany any amin’ ny faritra. Nohamafisiny fa hotohizana ny tsara nataon’ny teo aloha ary ahitsy ireo lesoka. Betsaka ny fanatsarana tokony hatao eo anivon’ny asam-panjakana. Eo koa ny asa mendrika sy ny fampanana asa ny tanora ary ny fanofanana ireo mpandraharaha. Manampy izany ny fiahiana sosialy sy ny fijerena ny tontolon’ny sehatra tsy miankina, araka ny nambarany.
Tsiahivina fa 11 volana ny nitantanan’ny minisitra Rivotiana Jean Bosco ny minisitera ary izao noraisin-dRazakaboana Hanitra izao.
Synèse R.




