“Tonga ny fotoana ilana ny fitsinjaram-pahefana lasa lavitra kokoa. Miara-dalana amin’ny fampitomboana ny lalan-ketra tantanin’ny faritra sy ny kaominina. Voalohany amin’ny foto-kevitra ijoroanay ny fitsinjaram-pahefana”, hoy ny filoha nasionalin’ny MMM , Andrianainarivelo Hajo, ny herinandro teo. Nohitsiny fa tsy vitan’ny resa-be izany. Tena foto-kevitra manova zavatra tokoa izany, araka ny nambarany. Noraisiny ho ohatra amin’izany ny tranga miseho any amin’ny 200 kilometatra miala an’ Antananarivo, misy ny kaominina Andriba. Navadika ho sekoly ny biraon’ny fokontany. Tsy vitan’ny tsy misy latabatra sy seza fa mbola nirodana tamin’ny fotoanan’ny rivodoza koa ny ampahany, araka ny nambarany. “Ny tomponandraikitra eny ifotony no tena mahavaha ny olana rehefa omena ny fahefana sy ny teti-bola”, hoy ihany izy. Mbola latsaky ny dimy isan-jaton’ny volam-panjakana ihany anefa no tantanin’ny faritra sy ny kaominina, amin’izao fotoana izao.
Notsiahiviny fa efa nitondra vahaolana ihany ny nampandehanana ny “Fonds de Développement Local – FDL” sy ny “Institut National de la Décentralisation et du Développement Local – INDDL”. Tsy ampy intsony anefa izany manoloana ny vanin’andro ankehitriny, araka ny nambarany hatrany.
Synèse R.