“Miara-miasa, miasa mafy sy haingana”, hoy ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, nandritra ny famindram-pahefana taminy. Laharam-pahamehana ny fanatanterahana ny fanambin’ny Filoham-pirenena.
Nandray ny fahefana amin’ny maha minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany azy Andriantsitohaina Naina. Tontosa, omaly, teny amin’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana Anosy, ny fifamindram-pitantanana teo amin’ny minisitra teo aloha sy ny vaovao. « Rivo-baovao entina manatsara ny fomba sy hanatrarana ny tanjona napetraky ny Filoha no hitsoka manomboka izao. Hotohizana ihany koa ny ezaka sy ny asa efa nataon’ny teo aloha ary hisokatra ho an’ny rehetra ny fiaraha-miasa », hoy Andriantsitohaina Naina, minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany.
« Ny vahoaka no tena hifantohantsika », hoy izy. Anisan’ny laharam-pahamehana ho an’ny minisitera tantanany ny fanatanterahina sy fanatrarana ny vinan’ny Filoha. Ho an’ny eo anivon’ny departemanta fitsinjaram-pahefana, fanamby napetraky ny Filoham-pirenena ny hoe « tsy misy kaominina ho hadino eto Madagasikara na ny iray aza », eo ihany koa ny fanatanterahana ny politika nasionalin’ny fitsinjaram-pahefana izay efa tafapetraka. Ho an’ny fanajariana ny tany indray, ny fanatanterahana ny fanambin’ ny filoha « Ny tany ho an’ny Malagasy no tanjona ». Eo ihany koa ny fanamorana ny fikarakarana ny taratasy, amin’ny alalan’ny fametrahana ny Digitalisation.
“Mila mpitondra vonona sy vanona ny vahoaka”, hoy ny minisitra. Nitodika tamin’ny mpiasa sy tomponandraikitra eo anivon’ny minisitera ny minisitra vaovao teto. Nambarany fa mila ny ezaky ny tsirairay avy sy fiaraha-miasa vonona ny fampandrosoana ny fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany. Eo ihany koa ny fiaraha-mientana sy fomba fiasa haingana mba hanatrarana ny vina napetraka.
Lin




