Raholdina Naivo : “Manan-danja ny fianianan’ny minisitra”

“Manan-danja araka ny lalàna ny fianianana”, hoy ny filoha lefitry ny Antenimie­rampire­nena, farita­nin’Anta­nanarivo, Raholdina Naivo, ny amin’ny fianianan’ireo mpikamban’ny governemanta mialoha ny handraisan’izy ireo ny asany. Niteny ry zareo hoe vonona hiaina amin’ny lalàna. Rehefa niteny ny tena hoe sazina raha manao an’izao na izatsy. Raha tratra tokoa ny tena manao an’izany, tsy afa-kiaro tena intsony satria nanaiky. Raha tratra manao kolikoly na manao ny tsy mety izany, efa toy ny mitonon-tena. Sanatria, toy ny mpangalatra miaiky ny heloka nataony izany. Eo amin’ny moraly malagasy: aleo enjehin’ny omby masiaka toy izay enjehin’ny eritreritra. Eo koa ny ohabolana hoe veliranom-bazimba: izay mivadika aloha, kely ila.
Misy ny fanovana sy fanatsarana amin’izao governemanta vaovao izao. Ny tena zava-dehibe: misy tamin’ireo minisitra nesorina, nahavita; misy koa ireo nesorina tsy hoe tsy nahavita fa tsy ampy; misy nafindra toerana. Ny filohan’ny Repoblika no tompon’antoka voalohany amin’ny fampandehanana ny raharaham-pirenena ; manaraka, ny Prai­minisitra. Matoa izy nametraka an’ireo mpikamban’ny go­vernemanta ireo, ny vokatra no andrasan’ny filohan’ny Repoblika. “Amin’ny ankapobeny, manantena vokatra amin’­io governemanta io aho”, hoy izy.

R. Nd.

Partager sur: