“Ny vahoaka no hitsara voalohany indrindra manoloana ny fianianana nataon-dry zareo, ankoatra ny fitsarana anatiny ataon’ny fanjakana”, hoy ny fanehoan-kevitry ny loholona Ramanambitana Richard, tamin’ny mpanao gazety teny Anosikely, afakomaly, momba ny governemanta vaovao. Tsy ataotao foana ny fianianana, fa hanatanteraka ny asa ary tsy mitady afa-tsy ny tombontsoa ambonin’ny vahoaka izy ireo. Eo koa ny ady amin’ny kolikoly, ary manala tena rehefa tsy mahatanteraka an’izay. Mazava fa tsy maintsy olona manampahaizana sy teknisianina izany, manana traikefa sy fahaiza-manao. Hita tamin’ny fanazavan’ny filoha Rajoelina fa nisy sivana tamin’ireo minisitra. Tsy maintsy nojerena tamin’ izany ny fahaiza-manao, ny traikefa, ny maripahaizana…
Vokatra andrasana amin’ ireo minisitra ny fanatanterahana ny veliranon’ny filohan’ ny Repoblika. Tsy misy filoham-pirenena manerana an’ izao tontolo izao mahavita ny vinam-piarahamonina apetrany amin’ny fe-potoam-piasana voalohany, fa tsy maintsy miditra amin’ny fe-potoam-piasana faharoa hamitana an’izay. Ny vokatra andrasana koa ny asa haingana ao anatin’ny fotoana fohy hitsaran’ny vahoaka azy ireo ao amin’ny fianianana natao. Tsy hitaredretra sy tsy hanandranandrana izany, fa tena hiasa ary hampiseho ny fahaizany amin’ ny fitantanana ny minisitera misy azy avy. Eo koa ny fahaizan’izy ireo mamaly ny hetahetam-bahoaka sy ny vokatra andrasan’ny filohan’ny Repoblika amin’izy ireo.
R. Nd.




