Kitra – “Orange Pro League 2022”: rava tsy lera ny lalaon’ny Ajesaia sy ny TFFC

Tsy tontosa hatramin’ny farany ny lalaon’ny Ajesaia Bongolava sy ny Tsaraman­droso Formation Boeny (TFFC). Fihaonana, notanterahina teny amin’ny kianjan’Ambo­hi­dra­trimo, omaly alahady ary tafiditra amin’ny andro fahatelo, ho an’ny kaonferansy avaratra. Niato teo amin’ny minitra faha-87, noho ny fifandonan’i Feno, mpilalaon’i Bongolava sy ny mpiandry tsatobin’ny TFFC, ka nahatonga ny fifampikasihan-tanana, teo amin’ny roa tonta. Marihina fa nahafaty ny baolina fahatelo, tamin’io ny Ajesaia ka nitarika 3 no ho 2.
Tsiahivina fa ny Tsaraman­droso no nanokatra ny isa voalohany, tamin’ny alalan’i Jaera, teo amin’ny minitra faha-27. Isa nentin’ny roa tonta niala sasatra. Mbola nampian’ i Philemon, indray izany teo amin’ny minitra faha-49 ka lasa 2 no ho 0. Nampihena ny isa i Rojo be, teo amin’ny minitra faha-68 avy eo nosahalain’i Feno, tany amin’ny minitra faha-85. Mbola nahafaty ny baolina fahatelo indray izy, tany amin’ny minitra faha-87. Tsy voavaha ny olana na teo aza ny fanelanelanan’ireo tomponandraikitry ny CFEM sy ny mpitsara ary ny mpanazatra sy ny kapiteny. Andrasana, araka izany, ny ho fanapahan-kevitra avy amin’ny CFEM sy ny federasiona.

Fitia (Mpianatra Asa)

AS Fanalamanga (1) – (0) Uscafoo
Cosfa (3) – (3) ASA Diana
Ajesaia – TFFC (Tsy tontosa)
Elgeco Plus (3) – (1) 3FB Toliara
Tia Kitra (0) – (1) Fosa Jr Boeny
MAMA FC (0) – (0) Zanakala FC
Jet Kintana (1) – (2) CFFA
Disciples FC (2) – (1) Dato FC

Partager sur: