Judo – Grand Slam de Tokyo: Resy tamin’ny Ippon i Lova Mahaisoa

Nifarana omaly, tany Tokyo Japan, ny fifaninanana « Grand Slam de Tokyo »n taranja Judo. Tsy nahomby ny solontena malagasy nandray anjara, Randrianasolo Lova Mahai­soa, izay nihintsana tamin’ny dingana voalohany, tamin’ny alalan’ny Ippon, nanoloana ny mpifanandrina taminy, i Sto­dolski Adan, judokas Polo­nais, sokajy latsaky ny 73 kg. Judokas tokana nifaninana i Lova, ankoara ilay judokas teratany vahiny mitondra ny anaran’i Madagasikara, i Janeiro Chan Ling, izay resy tamin’ny Ippon ihany koa nanoloana an’i Bayabmunkh Narmandakh (MGL). Tsiahi­vina fa fifaninanana tafiditra amin’ny fifanintsanana hahazoana tapakila hiatrika ny lalao Olympika 2024 hatao any Frantsa, ity Grand Slam ity.

Judokas miisa 346, lehi­lahy ny 201 ary vehivavy kosa ny 145, ny tonga nifaninana tany Tokyo, avy amin’ny firenena 59 maneran-tany. Nahi­tana mpikatroka afrikanina 11 nandritra izany. Nisongadina tanteraka ary nahazo ny me­daly betsaka indrindra ny firenena japoney na teo amin’ny sokajy lehilahy izany na ny sokajy vehivavy. Medaly vola­mena miisa 12 be izao no indray noraofin’ity firenena nampiantrano ny Grand Slam ity.

Araka ny efa nampahafantarina, hitohy avy hatrany amin’ny fifaninanana natokana ho an’ny judokas manana olana ara-pahitana ity Grand Slam ity, ny 12 desambra izao. Mikasa ny handefa so­lontena iray amin’izany i Madagasikara, saingy mbola anatin’ny fitadiavana izay hanampiana ny hoenti-manana amin’izany ny federasiona sy ny Coach mpikarakara azy amin’izao fotoana izao. To­kony hanainga rahampitso
6 desambra i Nampoina ilay judokas jamba sy ilay mpanazatra azy.

Mi.Raz

Partager sur: