“Fanamafisana an’ireo minisitera ny fametrahana sekretariam-panjakana, ary fanamavainana ny asany koa”. Io ny fanehoam-pijerin’ny sekretera jeneralin’ny Vondrona laika kristianina mpikatroka (VLKM), Razafindrabe Mamy, momba ny hisian’ny sekretariam-panjakana. Ny asan’ny olona iray izany ataon’ny olona roa, fa tsy hoe asan’ny olona folo ataon’ny olona iray. Antso roa lela io: moramora kokoa ny hanarahin’ny filoha maso ny fampandrosoana amin’ny zavatra antsipiriany sy isaky ny minisitera, ary manana andraikitra manokana ny sekreteram-panjakana. Masontsivana maromaro no nifantenana an’ireo minisitra. Mila vokatra ny fandraisana fepetra. Maro ny fitsapana natao tamin’ izy ireo. Tsy nisy tamin’ny governemanta natsangana hatramin’izay ny fanaovana fitsapana, na fanadihadiana lalina momba ny olona tsirairay. Tsy mbola nisy koa ny hoe nanao fianianana ny minisitra. Tsy ataotao foana ireny fianianana ireny, fa manan-jina sy hasina ny teny. Aleo izy ireo hiasa ao anatin’ny 100 andro voalohany, fa vavolombelon’ny mpiasa ny bainga voavadika
R. Nd.




