KMF/Cnoe : “Tokony ho mpiasam-panjakana ny PDS”

Tapitra ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna. Maneho ny heviny momba ireo tokony hotendrena ho PDS ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe, i Namearison Robert.

“Raha ny marina, tokony ho mpiasam-panjakana ny PDS”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fa­nabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert, ny amin’ny fanendrena Filohana delegasiona manokana (PDS) noho ny fahataperan’ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny Ta­nàna. Hapetraka hitantana ny kaominina izay mpiasam-panjakana izay noho ny fahaiza-manaony. Mba tsy hivoahan’ny volan’ny kaominina handoavana ny karaman’ny PDS izany. Saingy nanomboka tamin’ny Tetezamita, nisy lova somary hafahafa: na tsy mpiasam-panjakana aza, notendrena ho PDS. Noho izany, sao mampieritreritra hoe: sao hampiasaina hanomana fifidianana? Na fifidianana kaominaly izany, na fifidianana depiote. Rehefa tsy maintsy hohalavaina ihany ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny Ta­nàna, ny eo an-toerana no homena fanalavam-potoana.
Nanomboka tamin’ny 10-15 janoary no tapitra ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna. Ny dikan’izay, efa fandehanana amin’ny fanalavana ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna ny aorian’izay. Roa ny azo atao amin’izany. Na homena fanalavana ny fe-potoam-piasana ny mpitantana ny kaominina, ka ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana na amin’ny alalan’ny filankevitry ny governemanta na amin’ny filankevitry ny minisitra no mamoaka fanapahana ny amin’izany. Azo atao tsara ny manalava ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna. Ny faharoa, azo atao tsara koa ny manendry PDS. Hiteraka adihevitra vaovao ny fanendrena PDS, fa havangongon’ny fitondrana any aminy.

R. Nd.

Partager sur: