Naneho ny heviny mahakasika ny raharaham-pirenena ankehitriny ny solombavambahoaka, Andriamampandry Todisoa, voafidy tamin’ny anaran’ ny antoko Tiako i Madagasikara. Nasongadiny tamin’izany ny fanentanana ny olona handray ny andraikiny sy hanatanteraka ny adidiny, indrindra amin’ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana. Nanambara ihany koa izy, ny mahakasika ny tolon’ny vondron’ny kandidà (C11), fa hitohy.
Nisy ny fivoriana sy fikaonandoha teo amin’ny antoko politika mikambana ao anatin’ny C11. Araka ny nambaran’ ny solombavambahoaka, Andriamampandry Todisoa, manana vina ny hanolotra kandidà iraisana ny C11, amin’ny fifidianana manaraka eo, izany hoe, amin’ny fifidianana solombavambahoaka sy kaominaly. “Tanjona ny hahamaro anisa eo anivon’ny antenimierampirenena ahafahana mahazo fahefana misimisy kokoa sy ahafahana manatratra ny tanjona ao anatin’ny ara-dalàna”, hoy ity solombavambahoaka ity.
Araka ny nambaran’io depiote io hatrany, hitohy ny tolona ary niantso ny vahoaka tsy ho kivy izy. Ao anatin’ny fanajana ny lalàna tanteraka anefa no hanatontosana izany. “Efa mby amin’ny fiafaran’ny tolona isika ka aoka samy ho tomponandraikitra sy hiara-hientana”, hoy izy namarana ny teniny.
Lin




