andian-jatovo maditra: tovolahy 13 naiditra am-ponja

Tsy nitsitsy ny fitsarana fa naiditra am-ponja ao amin’ny fonjaben’Ambalatavoahangy rehefa avy natolotra ny fampanoavana, ny sabotsy teo, ireo andian-jatovo maditra miisa 13 mpanao herisetra ao Toamasina. Navahana ireo tsy ampy taona satria natokana ao amin’ny faritra ho an’ny ankizy tsy ampy taona raha nafangaro amin’ireo voafonja kosa ireo efa 18 taona rehetra. Raha hiverenana, andian-jatovo mpanao herisetra sy mifangalatra satroka sady mpanakorontana mifaninana amina karazan-kira Rap ireto naiditra am-ponja ireto. Manana ny foiben-toerana fanaovan’izy ireo fivoriana ireto andian’ankizy mahery setra ireto. Anisan’izany ny ao Morafeno izay efa nisaloran’ izy ireo ny anarana hoe Morafeno Zone Rouge (MZR). Nisomebiseby ny ray aman-drenin’ireo ankizy hatramin’ny fotoana nisamborana azy ireo. Mazava ny anatra napetraky ny fitsarana tamin’ireo ray aman-dreny nanaraka hatrany amin’ny fitsarana. «Rehefa tsy hainareo ny hananatra ny zanakareo dia aleo ny lalàna no hampiharina. Ianareo ray aman-dreny lasa manome vahana ny ditran’ankizy», hoy ny mpitsara nandray ny antontan-taratasin’ady.
Na teo aza anefa ireo naiditra am-ponja, nisy andian-jatovo ao anatina vondrona hafa indray koa nifamono tao Mangarano, omaly. Vokany, iray voasambotra, roa naratra mafy ka nentina hopitaly. Mbola ao anatin’ny fitadiavana ny naman’ireto tratra ireto ny polisy hatramin’ny omaly alina.

Sajo/J.C

Partager sur: