Filoha Rajoelina : “Tsy maintsy ahena ny fahantrana”

“Tetikasa hanavotra ny ankamaroan’ny Malagasy ny Ankohonana miarina, hanampy indrindra izay te hiarina amin’ny fiainany.

Tanjona amin’izao fe-potoam-piasana faharoa izao fa voalohany amin’ ny fanombohana ny asa ny hoe: ahoana ny hahazoantsika mampihena ny fahantrana? Tsy maintsy ataontsika izay hampihena ny fahantrana”. Izay no nambaran’ny filoha Rajoelina, tany Arivonimamo, faritra Itasy, afakomaly, tamin’ ny fanombohana ny tetikasa Ankohonana miarina.
Mba hanova ny fiainan’ny olona ny Ankohonana miarina. Ny tany sy ny olombelona no harena voalohany. Ny fampiasana izany no hahazoana mampiova an’i Madagasikara. Fanaovana trano hipetrahan’ ny fianakaviana ny tetikasa, fanofanana amin’ny fambolena sy fitantanam-bola. Tany 600 m2, izay 39 m amin’ny 15 na 16 m, no hahazoany mivelona. Omena masomboly sy ny fiofanana amin’izay tokony hovolena izy ireo. Hovidin’ny fanjakana na orinasa hapetraka eny an-toerana ny vokatra mihoatra. Hisy koa ny fanomezana biby fiompy. Nanamarika azy ny fahantran’ny vahoaka, fa nanamarika azy manokana ny fahazotoana sy ny fahavitrihana. Mila entina amin’ny lalana tokony hizorana ny vahoaka amin’izany.
Ao anatin’ny tetikasa zato andro ny Ankohonana miarina. Ny minisiteran’ny Mpo­nina no nanivana izay hisitraka ny tetikasa, izay tokantrano 86 tao Miarinarivo ary 3 000 tao Tsimahabeomby-Imerintsia­tosika. Ny minisiteran’ny Fam­bolena no hamatsy masomboly. Velaran-tany 650 hatramin’ny 2 000 m2 isan-tokantrano no homena amin’izany tetikasa izany. Tokantrano iray tapitrisa no vina hitsitraka izany.

R. Nd.

Partager sur: