Minisiteran’ny Raharaham-bahiny : tokony ho diplaomaty ny ambasadaoro

“Avy nitondra sendikà aho, anisan’ny niady ho an’izay hoe tokony ho andrianjohany matihanina no hitarika ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Syndicat des corps du ministère des Affaires étrangères (Syncor­mae) teo aloha, Randria Razakandrema, ny amin’ny nanendrena ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, izay andrianjohany na diplaomaty matihanina. Zava-dehibe ny traike­fan’ny olona nofidina, manaraka ny vinan’ny filoha: olona nifehy hatrany ny diplaomasia ara-toekarena no noraisina. “Ho ahy manokana, zava-dehibe izany amin’ny fampandrosoana eto Madagasikara ny nametrahana hoe izay olona tokony hahavita azy no hampanaovina ny asa mifanandrify azy”, hoy izy. Ho hita eo ny vokatr’izay.
Tsy tokony hijanona eo amin’ny mpitantana ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny ihany ny fanendrena olona matihanina amin’ny diplaomasia, fa eo koa ireo masoivoho malagasy hiasa any ivelany. Amin’ireo firenena any ivelany, ohatra, andrianjohany matihanina avokoa ny 90% amin’ireo ambasadaoro, fa ny 10% ihany no mpisehatra politika. Ny tena mahamaika amin’izao fotoana izao dia ny any amin’ izay misy fifandraisana diplaomatika ara-toekarena ho an’i Madagasikara.
“Hahazoan­tsika mitady vokatra ara-toekarena sy mampandroso ny toekarena malagasy izany, fa mitady ny lafiny indostria isika. Any amin’ny firenena mandroso sy manana ny haitao amin’ izany no tena tokony hanampiana antsika”, hoy ihany izy.

R. Nd.

Partager sur: