FANTINA sy FINTINA

Sady nekena no navoaka tamin’ny filankevitry ny governemanta, notanterahina ny sabotsy lasa teo, ny firafitry ny minisitera folo nanolotra ny azy. Anisan’izany ny famaritana misimisy kokoa ny andraikitra sy iraka ankinina amin’ilay minisitra delege misahana manokana ny zandarimariam-pirenena.
Anatin’ny fametrahana ny rafitra isan’ambaratongany ny fitondrana tarihin’ny filohan’ny Repoblika. Andrasana ny fanendrena ireo governora miisa efatra, hameno ny banga : Atsimo Atsinanana, Analanjirofo, Melaky, ary Betsiboka. Toraka izany ireo sekreteram-panjakana miisa sivy, izay voalaza fa tena hiasa eny ifotony.
Nambaran’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany fa tsy marina ny filazana fa misy fandoavam-bola 1 000 Ar isam-pianakaviana ny fisoratana anarana eny anivon’ny fokontany. Andraikitry ny komitim-pokontany ny fanisam-bahoaka, araka ny didim-panjakana lah 2007-890 tamin’ny 2 jolay 2007, tsy misy milaza fa misy sarany izay fisoratana anarana izay.
“Araka ny tenin’ny Filoha, ny sosialim-bahoaka no laharam-pahamehana amin’izao”, hoy ny governoran’ny faritra Analamanga, Rasoa­maro­maka Hery, tamin’ny asa fanadiovana lakandranon’ Andriantany sy ny fandraofana fako teny 67 ha ary ny faritra hafa teto Antananarivo Renivohitra, ny faran’ny herinandro teo.

Partager sur: