TARATRY ny KANTO

Natao veloma farany tetsy amin’ny Ekar Mb Terezy etsy Isotry, ny sabotsy teo, Rafalison Joachim, mpanao hiragasy ao amin’ny tarika Ramilison Fenoarivo. Nandritra izany no nanomezana azy ny mariboninahi-pirenena «Chevalier de l’ordre national», tamin’ny alalan’ny minisitry ny Serasera. Naterina teny amin’ny fasan-drazany eny Mandrosoa Antongona izy, taorian’izay.

Nivoaka ny sabotsy teo ny «Ba Gasy Mazia Romotra», rakikira faharoa an’ny tarika Zandry Gasy. Hira 12 maneho ny lohatenin’ny rakikira avokoa no voarakitra ao. Sanganasan’ny mpikambana ny ankamaroany. Misy kosa ireo vakoka nofohazina araka ny nahafantarana ny Zandry Gasy sy ny sanganasan’ireo zoky taloha nindramina.

Efa tafaverina tsikelikely ny hetsika ara-javakanto sy kolontsaina, isaky ny ivontoeran’ny kolontsaina tsirairay avy ankehitriny. Anisan’izany ny eny amin’ny Aft Andavamamba, IFM Analakely, IKM Antsahavola …

Tanterahina, eny amin’ny Enceinte Moufadal Centre, Anosizato Atsinanana, manomboka anio hatramin’ny 27 janoary 2024, ny atrikasa Raphia. Tanjona ny hizarana ny fomba fandrariana izay ani­san’ny haikanto mampiavaka ny Malagasy. Eo ihany koa ny fampiroboroboana izany sehatra izany, izay anisan’ny sehatra afaka hitadiavam-bola.

Partager sur: