INDRAY MIJERY

Nanaovan’ny Filoham-pirenena tsindrim-peo ny mahakasika ny fanatsarana ny fotodrafitrasa ianaran’ny zaza malagasy. Hitohy, araka izany, ny fananganana ireo fotodrafitrasa mendrika sy manara-penitra manerana ny Nosy, satria manan-jo hianatra amin’ny sekoly moderina sy ampy fitaovana ny mpianatra.
Irosoana maika ny fanitarana ny haratonaina ara-tsosialy amin’ireo tokantrano tena sahirana, hoy hatrany ny Filoham-pirenena. Ampanarahana ny haitao ara-kajy mirindra ny fandrafetana ireo lisitry ny tokantrano hisitraka izany. Niandraiketan’ny minisiteran’ny Mponina, tamin’ny alalan’ny fitalevana momba ny fiahiana sosialy, izany taloha.
Toeram-pivarotana fanafody 15 indray no nahazo fankatoavana ho tobim-panafody Plus rehefa nahafeno ny fepetra takina amin’izany, tany amin’ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo. Ny fandaharanasa “Impact” vatsian’ny USAID no misahana ny antanatohatra mametraka ny tobim-panafody Plus. Hisorohana ny varotra fanafody tsy ara-dalàna no tanjona.
Manohana ara-tsakafo ireo ankizy mpianatra amina sekoly 1000 manerana ny Nosy ny fandaharanasa iraisam-pirenena momba ny sakafo (Pam). Manampy ny ankizy hifantoka tsara amin’ny fianarana ataony any an-dakilasy ny fihinana sakafo ampy sy voalanjalanja.

Partager sur: