Maty voatifitra, nandritra ny fanarahan-dia, ny zandary lietnà iray, omaly, tao Marofototra, Maevatanana. Lavon’ny balan’ny jiolahy koa ny sivily iray niaraka taminy.
Namoy ny ainy vokatry ny fifandonana tamin’ny dahalo ny zandary, lefitry ny Kaomandin’ny Vondron-tobim-paritra ao Maevatanana, omaly. Nanafika tao amin’ny tanànan’i Sarodrano, fokontany Marofototra, kaominina Maevatanana II, ny dahalo tamin’ny 5 ora maraina. Nanara-dia avy hatrany ny mpitandro filaminana miasa ao an-toerana rehefa nahare ny zava-nisy.
Tratra tao Antanifotsy, fokontany Mahatsinjo, kaominina Bemokotra ireo dahalo tamin’ny mitataovovonana. Nampiasa fitaovam-piadiana anefa ireo olon-dratsy. Nirefodrefotra ny basy. Nifamaly ny tifitra nataon’izy ireo sy ny zandarimaria. Tampoka, voan’ny balan’ireo tsy mataho-tody ny lefitry ny kaomandin’ny Vondron-tobim-paritra. Ankoatra azy, lavon’ny tifitr’ireo dahalo koa ny olon-tsotra iray anisan’ireo nanatevin-daharana ny fokonolona.
Dahalo roa lavo…
Nanao izay ho afany nisamborana ireo dahalo ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona.
Nidaraboka tamin’ny tany ny dahalo roa lahy voan’ny bala nandritra ny fifamalian’ny tifitra. Sivily roa avy amin’ny fokonolona naratra saingy tsy nisy nahina ny ainy, araka ny tatitry ny mpitandro filaminana. Nentina namonjy toeram-pitsaboana teo no ho eo ireto farany. Manohy ny fanarahan-dia ireo dahalo nandositra kosa ny zandarimaria ampian’ireo mpanatevin-daharana efa mihatrana ao an-toerana. Marihina, nivoaka avy tamin’ny andiany faha-43 tao amin’ny ACMIL sy efa nandranto fianarana tao amin’ny SEMIPI io Lietnà namoy ny ainy ho an’ny tanindrazana io. Nitondra ny teny fiaraha-miory sy fampiononana ho an’ny fianakaviany sy ny Mpiray andiany tamin’io manamboninahitra lavo io ny fianakaviamben’ny Zandarimariam-pirenena.
Tsiferana R.