Fididianana : tsy hanaiky famitahana intsony ny TGV

“Tamin’ny 2018 izahay no mety voafitaka”, hoy ny sekretera nasionaly faritany Anta­nanarivo, Rasoama­romaka Hery, teny Ambohidahy, oma­ly, ny amin’ny fiatrehana ny fifidianana kaominaly sy ny depiote. Na kandidà niaraka tamin’ny TGV aza tamin’izany, any amin’ny toerana fahadimy na fahatelo tamin’ny voka-pifidianana. Amin’izao kosa, tsy ho voafitaky ry zareo intsony fa maso maromaro no mijery ny momba ireo kandidà: manao ahoana izy anivon’ny kaominina, na tamin’izy depiote na ben’ny Tanàna… Kan­didà tena mendrika, hatolotra miaraka amin’ny filoha Rajoelina ve? Maro ny mieritreritra ho kandidà. Izay maha izy ny tena sy mampiavaka aseho, fa aza manaratsy ny hafa hahazoana toerana. Misy ny misora-tena hoe kandidà izao amin’ny fifidianana. Tsy mbola misy na iray aza hoe kandidà izany. Tsy maintsy misy fifanarahana, ary anisan’izany ny birao politikan’ny TGV hanapaka ny ho kandidà.
Etsy andaniny, hanana kandidà ho ben’ny Tanàna eto an-drenivohitra ny TGV, araka ny nambarany. Hahazo ny maro anisa ka hanana depiote 120 koa ny mpanohana ny filoha Rajoelina eny amin’ny Antenimierampirenena.
Tsiahivina fa niverina nandray ny asany maha gove­rnoran’Analamanga azy Ra­so­a­maromaka Hery, omaly. Nampanantena ny hanampy hatrany an’Antananarivo Re­nivohitra amin’ny lafiny rehetra sy ny fanamboaran-dalana. Anisan’izany ny any Mantasoa sy ny any Andramasina ary ireo distrika hafa…

R. Nd.

Partager sur: