TARATRY ny KANTO

“Tolo-tanana ho an’i Mikakely”, eny amin’ny M’Lam Manakambahiny. Misesy ny fanehoana firaisan-kina. Avy hatrany dia niara-nientana ka hiaraka hanao seho anio, manomboka amin’ny 5 ora hariva, ireo naman’i Mikakely, mivondrona ao amin’ny Bassiste Gasy. Tsy misy vidim-pidirana fa vata hanangonana ny fanampiana ny marary no hatao.
Hampitomboana ny fanandratana ny kolontsaina malagasy ny sehatry ny fanabeazana, ao amin’ireo hainoamanjerim-panjakana. Toromarika nomen’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Andriama­nanaro Augustin, io. Nitsidika ny Ofisim-pirenena misahana ny radio sy televisiona malagasy na ny ORTM izy, omaly. Hotohizana ny asa fanatsarana hanatrarana ny lenta sy ny kalitao iraisam-pirenena, araka ny nambarany.
Ankoatra an’i Michèle Rakotoson, mitombo hatrany ny Malagasy mpanoratra, tafakatra eo amin’ny sehatra sy fifaninanana iraisam-pirenena. Ani­san’ izany i Johary Ravaloson, i Hary Razafy, izay anisan’ny voafantina hiatrika ny « Prix Orange du Livre Africain 2024 » (POLA 2024), amin’ny alalan’ny asa sorany « Za Koa ».
Efa vonona tanteraka ny solontenan’i Madagasikara, hiatrika ny “Concours inter-universitaire de débat » atao any La Haye, manomboka ny 7 febroary 2024. Ny mpianatra avy eo amin’ny Oniversi­ten’Antananarivo sy ny avy ao amin’ny UCM no hisolo tena antsika amin’izany. Tanjona ny handrombaka ny laharana voalohany, hoy ny mpitarika azy ireo

Partager sur: