Anisan’ny misitraka ny fizarana kojakojam-pamokarana ao anatin’ny tetikasa « Purpa” ny faritra Bongolava. Azo antoka fa hihatsara ny vokatra any an-toerana amin’ity taom-pambolena 2024 ity, toy ny vary an-drano, ny voanjo ary ny soja.
Natao ny 15 hatramin’ny 18 janoary teo ny fizarana kojakojam-pamokarana avy amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) tany Tsiroanomandidy. Miisa 377 ny tantsaha nisitraka izany, ka avy any amin’ny kaominina Belobaka ny 221, raha 106 avy any Mahasolo, 40 avy any Fiadanantsoa. Vehivavy ny 193 amin’ireo, ary tanora latsaky ny 35 taona ny 149. Mamboly vary an-drano ny 153, voanjo lava ny 161 ary soja ny 63.
Tanjona ny hanatsarana sady hampiakarana ny vokatra hatrany amin’ny 1,2 taonina isaky ny hekitara, ny vary an-drano, 700 kilao/ha ny soja ary 500 kilao/ha ny voanjo lava.
Nahatratra 1 377 kilao ny masomboly vary an-drano nozaraina tamin’ireo fotoana ireo, milanja 4 875 kilao ny voanjo lava ary 1 512 kilao ny soja. Nisy koa ny zezika nozaraina ho an’ny tantsaha, nahatratra 2 295 kilao ny NPK, raha 33 875 kilao ny zezika oraganika Taroka.
Maherin’ny 35 miliara Ar
Tanteraka ity hetsika ity vokatry ny fiaraha-miasan’ny sampana Tahirimbola fampandrosoana ny fambolena (FDAR Bongolava), ny Fitantanam-paritry ny fambolena sy fiompiana (DRAE) Bongolava, ny tetikasa “Purpa” ary ny orinasa STOI, mpamokatra zezika organika. Nanotrona ny fotoana koa ny tomponandraikitry ny faritra Bongolava.
Raha aravona, nahatratra 4 653 ny tetikasa miompana amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana novatsiana vola maherin’ny 35 miliara Ar.
Mahakasika ny tetikasa “Purpa”, mamatsy vola azy ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad) sy ny Tahirimbola fampandrosoana ny fambolena (FDA), eo ambany fiahian’ny Minae sy ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB). Mandoa ny 10%-n’ny saran’ny tohana azony ny mpisitraka ao amin’ny tetikasa “Purpa”.
Njaka Andriantefiarinesy