Nitsidika ireo mpivarotra taozavatra malagasy etsy amin’ny Cenam 67 ha ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Randriamandranto Joël, ny zoma 19 janoary teo. Nisy ny fifampidinihany sy fifanakalozan-kevitra namantarana ny olana fototra iainan’ny Malagasy mpanao asa tanana.
Anisan’ny vahaolana noraisina ny hametrahana drafitra hifanakalozan-kevitra entina hifampitam-baovao sy hanomezan-danja ny taozavatra sy ny fahaiza-manaon’ny Malagasy mpanao asa tanana. Ao anatin’izany ny fampiroboroboana ny toeran’ny mpanao asa tanana, toy ny eny amin’ny Cenam 67 ha, ohatra. Notsipihin’ny minisitra Randriamandranto Joël, fa ilaina ny fanehoana ny maha matihanina amin’ny taozavatra. Ilaina ny fiofanana mifototra amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny vokatra. Notsindriny manokana ny fitsinjovana manokana ny tontolo iainana amin’ny fomba fakana ny akora fototra.
Marihina fa hatao amin’ny volana jona 2024 ho avy izao, eto amintsika, ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny asa tanana, ny “International Handcraft Fair Madagasikara” (IHM).
Hisy fitsidihana ireo toeram-pivarotan’ny mpanao asa tanana hafa hataon’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana. Tanjona ny hampiroborobo ity sehatra ity, izay anisan’ny singa iray mampandroso ny fizahantany ihany koa.
Njaka A.