Mamely ny zaza ny aretin’ny taovam-pisefoana, indrindra ny bronchiolite, hoy ny dokoteran’ny zaza eny Ambohimiandra. Ho an’ny zaza vao teraka hatramin’ny 3 volana dia tsy tokony hifanerasera betsaka amin’ny olona loatra, indrindra ireo voan’ny gripa. Tena mbola marefo ny zaza ka saro-pady.
Ny 10 febroary izao no hanatanteraka ny fambolen-kazo faobe ny Mpanazava eto Madagasikara. Voakasik’izany ny Voronkely, Mpanazava, Afo, Mpiandraikitra, Tonia, Filoha, Foibe…An’aliny ireo mpanazava manerana ny Nosy samy hanao fanentanana amin’ny fandraisana anjara amin’ny fambolen-kazo avokoa.
Nifarana ny tetikasa “Equal” ho an’ny faritra Diana. Nisy ny fanehoana ireo asa vita nandritra ny 24 volana niasana. Vonona ny tomponandraikitra amin’ny fanohanana sy fanohizana ny ezaka natomboky ny fikambanana Autisme Madagascar. Hitsangana koa ny komitim-paritra hisehatra ho an’ny fahasalamana ara-tsaina sy ny olona tra-pahasembanana hivondronan’ireo fikambanana, ONG, sekoly mampiaty.
Tsy mianatra ny mpianatra rehetra ao amin’ny distrikan’i Nosy Be ary naato avokoa ny fifamoivoizana an-dranomasina mampitohy an’i Nosy sy Ankify vokatry ny andro ratsy, omaly, araka ny fanambaran’ny prefet de police ao an-toerana. Miankina amin’ny fivoaran’ny toetry ny andro no handraisana fanapahan-kevitra vaovao.