Toamasina : mpanendaka roa lahy voasambotra

Mpanendaka roa lahy saron’ ny polisy ao amin’ny DRSP Atsinanana, tao Morarano, Toamasina, omaly. Niandry mpandalo amin’ny alina teny amin’ny toerana fanaovany ny asa ratsiny izy ireo, nifanehatra tampoka tamin’ny polisy nanao fisafoana alina. Niezaka handositra ireto farany vantany nahatazana ny mpitandro filaminana. Tratra tsy lavitry ny trano fisotroana iray malaza ao amin’io fokontany Morafeno io ireo mpanendaka ireo. Nosavaina saingy tsy nahitana taratasy mombamomba azy ireo akory teny aminy. Nampitaraina ireo mponina manodidina ny fisian’ireto mpanendaka ireto. Nentina hatao famotorana ary hatolotra ny fampanoavana izy roa lahy aorian’izay.

Tsiferana R.

Partager sur: