Mpianaka voafaokan’ny moto : zazamenavava maty tsy tra-drano

Mandalo dia maka rafahafatesana! Zazakely vao teraka tapa-bolana no maty voadonan’ny moto, omaly. Voafaoka niaraka tamin’ny vehivavy nitaiza azy izy.

Latsa-dranomaso avokoa ireo nahita ireto mpianaka nodomin’ny moto iray tao Ambohidrano, Antsirabe I, omaly tolakandro. Maty tsy tra-drano noho ny dona mafy nahazo azy teny an-trotroan’ny renim-pianakaviana nitondra ilay zazalahikely vao tapa-bolana monja. Raha ny tatitra nampitain’ny zandary, avy niotra izy mianaka. Tra-doza teny an-dalana nody.
Voalaza fa nandeha mafy ny moto nentina tovolahy iray. Nifatratra tany amin’izy mianaka tampoka.
Nilaza hatrany ny zandary nanontaniana an-telefaonina halina, fa tsy afaka nitondra ny zaza nandeha niotra ny reniny satria vao tera-bao. Ny zaobavin-dramatoa no nitondra ilay zanany. Naratra mafy ilay vehivavy nitrotro ny zaza niharam-boina. Nentina haingana namonjy hopitaly izy. Mbola manaraka fitsaboana hatramin’ny fotoana nanoratanay. Nipitika teny an-trotroany ilay zaza, araka ny fanazavan’ireo olona nahita ny fitrangan’ny loza.
Manoloana ny loza, tezitra ny olona nanatri-maso ka nanampatra ny hatezerany tamin’ilay tovolahy. Tonga vetivety ny mpitandro filaminana, nisoroka ny fitsaram-bahoaka.

Nalefa eny Tsiafahy
Etsy ankilan’izay, naiditra vonjimaika am-ponja eny Tsiafahy, omaly, ilay mpamily taxi-be, zotra 154 nahafaty olona teny Mahamasina, ny sabotsy alina lasa teo. Natolotra ny fampanoavana, omaly, izy rehefa avy notanana teny anivon’ny polisy, nanaovana famotorana.
Nivoitra tamin’ny fakana am-bavany ilay mpamily fa nisy disadisa teo aminy sy ireo mpitondra moto miisa efatra. Mialoha ny tranga teny Maha­masina, nisy voakasik’ilay mpa­mily ny iray tamin’ireto farany.
Nisy ny fifanenjehana taorian’izay. Nibahana teo alohan’ilay taxi-be mba hijanonany ny moto iray. Tsy nijanona teo anefa ilay mpamily. Mainka nodominy ka voahitsaka ilay mpitondra moto. Vokany, naratra mafy ka maty tsy tra-drano ilay raim-pianakaviana. Nitondra fanazavana momba ity raharaha ity ny rahalahin-drain’ilay tovolahy namoy ny ainy, Randriatsaholy Jean Claude. « Efa maty ny havanay ka mitaky ny hampiharana ny lalàna amin’ilay mpamily izahay », hoy izy niandry an-dranomaso ny fanapahan-kevitry ny mpampanoa lalàna.

J.C

Partager sur: