“Mbola ao anatin’ny Lalàmpanorenana ny faritra. Tsy mbola misy fanovana izany. Noho izany, tokony hofidina amin’ity taona ity izay hitantana ny Faritra”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ ny antoko Marina, Ranaivoson Désiré, momba ny fiatrehana fifidianana. Tokony hotaperina ny taona 2024 ny fotoam-pifidianana. Mba tena asa fampandrosoana no hatrehin’ny firenena. Mbola miteraka olana ny lalàm-pifidianana. Heveriny fa fotoana azo hararaotina hahazoana manatsara izao.
Araka ny kongresin’ny antoko, aogositra 2023, hiantsehatra bebe kokoa any amin’ ny fifidianana kaominaly ry zareo. Samy manomana ny azy ny isam-paritra. Raha ny lalàna vaovao, tsy misy intsony ny kajikajy amin’ny fifidianana mpanolotsain’ny Tanàna fa lisitra no hofidina. Hiova ny paikadin’ny antoko, raha izay. Handrotsaka kandidà amin’ny kaominina heverina fa tokony hahalany azy izy, fa hiaraka amin’ny vondrona na antoko hafa.
R. Nd.




