Nitondra ny heviny manoloana ny fiainam-pirenena sy ny trangam-piarahamonina amin’izao fotoana izao ny Jly Ramakavelo Desiré. Nambarany fa betsaka ny anton’izany.
Hentitra sy nahitsy ity manamboninahitra misotro ronono ity. “Tena efa tsy mifampatoky intsony isika. Tsy milamina ny fiarahamonina ary tsy afaka mifampiraharaha araka ny fifampifehezana ny vahoaka sy ny mpitondra”, hoy izy. Nohitsiny ho anton’izany ny tsy firaharahana ny fanarahan-dalàna mahazo faka ka mahatonga tranga samihafa mamoafady sy mampihorohoro. Tsy misy afa-bela noho ny tsy fifampitokisana anefa ny rehetra. Tsy maintsy mitaky ezaka nefa ka anisan’ny soso-keviny ny fiverenana
amin’ny fifampitokisana sy ny fametrahana filaminana hisorohana izany. Mitaky dingana anefa izany, araka ny nambarany hatrany. “Tsy maintsy miainga amin’ny fanarahan-dalàna isika. Tsy ho tanteraka koa izany raha mbola eo ireo ambonin’ny lalàna. Miainga amin’ny filaminana avokoa izany na tsara aza ny paikady itondrana ny firenena “, hoy izy.
Mitaky hatrany ny hanajana lalàna
Tsy hahomby koa anefa izany raha tsy eo ny fanajana ny lalàna, araka ny nambaran’ity mpanabe sy mpamakafaka ny tantara ity.
Tsiahivina fa nahazo laka tato anatin’ny herinandro maromaro izao ny fanapahan-doha ary efa tafakatra eto an-dRenivohitra izany. Ny kolikoly amin’ny sehatra rehetra, ny tsy fandriampahalemana an-tanàn-dehibe sy ambanivohitra.
Anisan’izany ny “Raharaha fakana an-keriny any Ankazobe”, ny fakana taova toy ny maso… Manampy ireo ny fiverenan’ny herisetra samihafa mihatra amin’ireo varira… Ankoatra ireo ny tsy fanarahan-dalàna amin’ny sehatra samihafa eto amin’ny firenena.
Synèse R.




