Fiatrehana ny fifidianana: mitaky tokotany madio ny antoko MMM

Vonona saingy nametraka fepetra. Nambaran’ny birao politikan’ny MMM, Raharison Liva, fa manana adidy ary handray anjara amin’ny fifidianana izy ireo. Tahaka izany koa ny hafa mba haha antoko politika azy. Na izany aza, mbola manamafy ny MMM fa misy zavatra tokony hojerena mialoha. “Tontolo maloto ary tsy nadio ny tokotany tamin’ny farany teo fa niniana natao amboletra ka niteraka savorovoro… Vonona izahay hiatrika ny fifidianana ary efa voaporofo teo amin’ny tantara izany”, hoy izy. Notsiahiviny fa efa nandray anjara hatrany izy ireo tamin’ny fifidianana filoham-pirenena, loholona, de­piote, ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina. Natsidiny fa manana kandidà iatrehana izany ny antoko.
Hentitra anefa ny birao politika fa tsy maintsy diovina ny sehatra. Mila mazava ny andraikitry ny rehetra sy ny hanaovana izany am-pahamarinana. Mba tsy ho tahaka ny efa vita teo. Anisan’ny ta­kin’izy ireo ny hanoloana ny mpikamban’ny Ceni sy ny eo anivon’ny HCC. Ny fijerena indray mandeha ny lisi-pifidianana. “Tsy maintsy hatao ny hampadio izany amin’ny fomba rehetra”, hoy ihany izy.
Tsiahivina fa anisan’ny fifampizarana eo anivon’ny MMM ny lafiny sosialy. Oha­tra, ny fahasalamana ka nahatonga azy ireo nanangana ny tobim-pitsaboana (CSMA) Sabotsy Namehana. Tsy ma­navaka izany ary zakan’ny fahefa-mividin’ny rehetra miaraka amin’ireo fitaovana ao aminy.

Synèse R.

Partager sur: